INDRAY MIJERY

Eto Madagasikara, mitodika any amin’ny fivavahana ny 40% ny olona rehefa misy olana ara-tsaina miseho eo aminy. 32,5 % manatona mpitsabo manokana toy ny psychiatre ary 2,5% mandeha eny amin’ny mpitsabo nentim-paharazana. Ireo ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny tomponandraikitry ny fahasalaman’ny saina. Amin’ny ankapobeny, maharitra enim-bolana fara fahakeliny ny fihinanana fanafody hitsaboana ny saina nefa sady lafo ny vidiny no tsy ahitana azy ireny loatra eny amin’ny farmasia. Sahiran-tsaina ny fianakaviana ka lasa miraviravy tanana.
Mbola ahitana fako mivangongo ny toerana fanatobiana isam-pokontany na efa tazana mivezivezy aza ny kamiaobe mpitatitra izany. Rehefa avy ny orana, isaky ny hariva, lasa mamoaka fofona mahery tsy zaka ireo fako ary mikoriana manaraka ny lalana ny rano maloto aterany. Manana olana ireo marefo ara-pisefoana vokatr’izay. Betsaka rahateo ny fako rehefa miakatra ny karazana voankazo tahaka izao.
Nanatrika ny Forum nasionalin’ny fanabeazana ny minisitra misahana ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisitera. Hetsika nokarakarain’ny Cona­mept, niaraka tamin’ny Celco sy ny Collectif de la Gen Z, tao amin’ny CCI Ivato. « Hampianatra amin’ny fomba vaovao ho fanovana an’i Madagasikara: fanavaozana ny rafitra fanabeazana mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana ao anatin’ny drafitra sektorialy momba ny fanabeazana (PSE) 2026–2030», ny lohahevitra nifantohana.

Partager sur: