Nomarihina teny Itaosy, tamin’ity herinandro ity, ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. “Mioitra amin’ny sakana, mampahomby ny paikady iadiana amin’ny VIH/Sida”. Io ny lohahevitra voizina amin’ity taona ity.
Tsy misy afa-tsy ny fiarovan-tena ihany no tsy hahazoana ny tsimokaretina. Miaro tena amin’ny firaisana ara-nofo. Miaro tena amin’ny fitaovana tsy azo antoka mety hampifindra izany.
Raha ny tombana, manodidina ny 90 000 ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara, saingy ny 32 000 mahery eo ihany no voatily ary voaporofo fa mitondra izany.
Midika izany fa misy olona 58 000 mandehandeha tsy voatily nefa mamindra tsimokaretina any anaty fiarahamonina any. Loza mitatao ho an’ ny rehetra izany ka ilana fitandremana.
Ny zatovo sy tanora ao anatin’ny sokajin-taona 20 – 49 taona no ankabeazan’ny tratry ny tsimokaretana VIH.
Mila fantatry ny rehetra fa tsy tokony hisy ny henatra sy ny tahotra manatona tobim-pahasalamana manao fitiliana, satria io irery no antoka iray hahafantarana na mitondra ny tsimokaretina na tsia ny olona iray.
Efa azo tsaboina tsara VIH/Sida ary maimaimpoana izany. Afaka miaina toy ny olon-drehetra koa izy ireo rehefa manaraka fitsaboana sy mandray tsara ny fanafody natokana amin’izany.
Tatiana A




