Fampianarana ambony: Raikitra ny opération Fosika

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fiandohan’ny hetsika « Fosika” eo amin’ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Io no sehatra fanabeazana sy fanadiovana, ahafahana mitoroka ireo diplaoma sandoka, endrika kolikoly amin’ny fandraisana mpiasa, fanokafana lalam-piofanana tsy ara-dalàna, sy ireo trangana herisetra eny anivon’ny Anjerimanontolo.
Hampiharina avy hatrany ny sazy ho an’ireo izay tratra mandika lalàna ary mety hiafara amin’ny fanafoanana ny sampam-pianarana sy fanesorana ny diplaoma izany, araka ny fanazavana.
Niantso ny rehetra ny fitondram-panjakana sy ny minisitra mba tsy hatahotra sy tsy hisalasala hitoroka raha mahita tranga hafahafa ho fandraisana andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena.
Haharitra enim-bolana ny hetsika, izay tarihin’ny mpandrindra ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny Mesupres ary iaraha-miasa amin’ny Bianco. Misokatra ny plateforme Fosi­ka ao amin’ny https://fo­sika.­ mesu­pres.edu.mg, ahafahana manatanteraka ny fitorohana ataon’ny rehetra na manana porofo na tsia.

Tatiana A

Partager sur: