Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny nifaohan’ny fiara ireo mpianatra niampita teny Tsarasaotra. Maro ny lesona azo tsoahina. Tsy misy afa-tsy ny mandeha milamina hahafahana misoroka ny loza. Tsara raha miaraka amin’ny olon-dehibe ireo ankizy rehefa tsy maintsy hiampita arabe. Lahitokana ny aina.
Nahazo fampitandremana miloko mena amin’ ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny any Vangaindrano sy Vondrozo ary Farafangana. Hitohy any Atsinanana izany, anio manontolo. Mila miomana amin’izany ireo rehetra tsy maintsy hivoaka ny trano.
Hitohy hatramin’ny 12 desambra izao ny famendrahana fanafody moka mitety trano, vatsian’ny Amerikanina vola. Atao amin’ny distrika efatra, dia ny any Mandoto, Isandra, Ikalamavony ary Ankazoabo Atsimo, ny hetsika. Mponina maherin’ny 700 000, amin’ ny tokantrano 135 000 isa, no hisitraka izany.




