Tetikasa Landja : Ilaina ny manamafy fiofanana ho an’ny kaomity mpitantana ny dina

Natolotra omaly, teny Ankorondrano, ny valin’ny fikarohana telo anatin’ny tetikasa Lalàna arindra amin’ny dina raha jiaby ara-drariny (Landja).

Natao araka ny fiarahamonina sy araka ny lalàna ny fikarohana ka nivoitra fa mbola manana anjara toerana lehibe eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny Dina. Misy ny fanomezan-kery avy amin’ny tribonaly izay vao afaka hampiharina ny didy. Betsaka ny sakana azo harenina, hahafahan’ny rehetra misitraka zo amin’ny fitsarana, araka ny nambaran’ny mpiara-mandrindra ny fanadihadiana avy amin’ny Focus Develo­pement Association, Zafera Richmond. Akaiky ny tontolo ambanivohitra, izay lavitry ny fitsarana, ny Dina. Miisa 42 ny Fitsarana ambaratonga voalohany miasa amin’izao fotoana izao, eny anivon’ny distrika 119. Tanjon’ny fikarohana ny hanolo-tsaina sy hanao tantsoroka ny mpanao lalàna, hahazoan’ny rehetra misitraka fitsarana. Fampifanatonana ny fitsarana sy ny dina ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona ny fomba iray hanatanterahina izany. Faritra valo, mampihatra ny Dina, no nohadihadiana. Nisy ny famakafakana ny antontan-kevitra sy ny fizarana ny valin’ny fikarohana, niarahana tamin’ny tomponandraiki-paritra any an-toerana.
Miainga avy any amin’ny fokonolona ny Dina, mandalo any amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa ary mia­fara any amin’ny Fitsarana. Ity farany no mamoaka ny fanomezan-kery mifanaraka amin’ ny lalàna velona eto Mada­gasikara. Nankato­avin’ny fitsa­rana ny Dina (lalàna 2001-04) fa ny fampiharana azy indraindray no misy fihoaram-pefy, tsy mifanaraka amin’ny zon’ olombelona. Ilaina ny fanamafisana ny fiofanana ho an’ny komity mpitantana ny Dina tsy hihoatra ny lalàna ny fampiharana azy.
Miainga avy eny ifotony ny Dina. Izy ireo no mamaritra ny fanonerana ny hadisoana na heloka amin’ny alalan’ny vola na zavatra ary tsy mampiasa hery na fikasihan-tanana.
Manatanteraka ny tetikasa Landja ny MSIS Tatao sy ny Haut-commissariat des Na­tions unies aux droits de l’homme sy ny Pnud. Mama­tsy vola izany ny Fonds des Nations unies pour la consolidation de la paix.

Vonjy

Partager sur: