Fianarana manjaitra: Namoaka ny andiany «Soa» ny Wednesday Morning Group

Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy Ambatoroka, ireo mpianatra 15 isa niofana momba ny zaitra eo anivon’ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG).

Nampitondraina ny anarana hoe: «Soa», ity andi­any ity. Nianatra ny tontolon’ny zaitra sy ny fanaovana asa tanana Crochet nandritra ny telo volana izy ireo. “Tanjon’ny fampiofanana ny hahafahan’ireo vehivavy ha­nana asa tsara sy hoavy ma­miratra ary hahaleo tena”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Tsi­­ranana Fiona. “Mba ha­nam­py amin’ny asa atao sy hampiroborobo ny fidiram-bola ny fiofanana natao ary hahafahana manokatra asa tena ho an’ny tsirairay”, hoy ny hafatra nentin’ny reny mpi­ahy ny andiany Soa, Andrian­tsitohaina Lalaina, nosoloin-dRabehaja Prisca, tena. No­ha­mafisiny fa tsara ny tetikasa sy ny asa soa tahaka izao mba hanampiana ireo tanora malagasy, izay sahanin’ny fikambanana WMG. Ankoatra izay, nanolotra fanomezana ho an’ny vehivavy nahazo mari-pahaizana ambony (très bien, bien, assez bien) ny tenany nandritra ny lanonana.
Major de promotion, nahazo ny mari-pahaizana ambony indrindra, ny tovovavy 22 taona, i Fanilo Miarantsoa Monica. “Efa talentako sy faniriana tato anatiko ny fitiavana manjaitra ka antony nahatonga ahy nianatra zaitra tato amin’ny fikambanana”, hoy izy. Efa nianatra zaitra talohan’izao ary mbola nanamafy taty amin’ny fikambanana. Maniry ny hanangana atelier ho azy manokana ny tenany any aoriana any. Hiditra ny 10 desambra izao ny andiany manaraka ho an’ireo te hisitraka ny fampiofanana.

Mino

Partager sur: