Hatry ny omaly, mihatra amin’ny lemak’ Antananarivo ny filazana loza manambana, miloko mavo, amin’ny faritra lalovan’ny reniranon’i Sisaony. Voakasik’izany ny kaominina 17 manamorona an’io renirano io. Tafakatra 1,60 m ny haavon’ny rano eo amin’ny maridrefin’Andramasina. 2,66m kosa izany eo Ampitatafika.
Mamono olona manodidina ny 350 000 isan-taona ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, raha ny salanisa navoakan’ny OMS. Manana vina hatramin’ny taona 2030 ity Sampandraharaha iraisam-pirenena hamita vaksiny miaro amin’ny HPV, ny 90% ny ankizivavy tokony hisitraka izany. Ho voatily kosa ny 70% amin’ny vehivavy ary ho voatsabo ny 90% amin’ireo marary.
Hotanterahina anio ny fifidianana ny birao vaovaon’ny Holafitry ny dokotera. Hanasana ny dokotera rehetra mpikambana manerana ny Nosy handray anjara amin’izany. Asa masina ny asan’ny mpitsabo. Tokony hisoratra ao anatin’ny Holafitra avokoa ireo nahavita fianarana.




