Tontosa nandritra ny 3 andro, nanomboka ny 1, nitohy hatramin’ny 3 desambra lasa teo, teny Ivandry, ny fiofanana mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena na “Cours des dirigeants sportifs “, andiany faha-21.
Mpiofana 24 no nahavita izany ka nandray ny mari-pankasitrahana, ny alarobia 3 desambra teo. Zava-dehibe ny fahafantarana ny lalàna mifehy ny fitantanana ny fanatanjahantena. Tena ilaina ny manana olona mahafehy izany eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny mpiofana, Raharimalala Léa, filohan’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball. Nisaotra ny Kaomity olympika malagasy izy nikarakara ny fampiofanana. Mbola maniry ny hanapariahana bebe kokoa sy hampitomboana izany fa tena antoka mampandroso ny fanatanjahantena. Tsiahivina fa mpanao gazety ara-panatanjahantena 8 mianadahy ihany koa niatrika ny fiofanana ary anisan’ny nampiavaka ity andiany faha-21 ity izany. Nambaran’ny Tale misahana ny fampiofanana eo anivon’ny Kaomity olympika malagasy, i Toavina, fa ny fampiharana ny fahalalana norantovina any amin’ny sehatra misy ny tsirairay no tena andrasana amin’ireo mpiofana. Nanomboka ny taona 2017 no nisy ny Cours des dirigeants sportifs ary efa mpiofana aman’arivony no niatrika izany hatramin’ izao.
Mi.Raz




