Antoka ho an’ny hoavy mamiratra eto Madagasikara ny fahafahan’ny tanora mandray andraikitra sy mahafantatra ny tontolo manodidina azy. Ilaina ny hevitr’izy ireo mba hamolavola politikam-pampandrosoana sy hanova ny zava-misy.
Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fampandrosoana », andiany fahadimy, teny amin’ny Oniversite katolika (UCM), Ambatoroka. Hetsika izay nokarakarain’
ny UCM sy ny federasionina, klioba, fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny UCM izay tohanan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). Latsaky ny 30 taona avokoa ny 70% ny Malagasy. Tombony ho an’ny firenena izany mba hahafahan’ny tanora manova ny toekarena sy ny sosialy. Tanjona ny hitarihana azy ireo ahafantatra ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana. « Hita taratra izany nandritra ny fandraisan’ anjaran’izy ireo, izay nanana hevitra sy te hampandroso ny firenena ary te hitondra ny anjara birikiny», hoy ny solontenan’ny mpianatry ny UCM, Andrianarisoa Volampanasina. Kendrena, araka izany, ny hanetsehana sy hitondrana ny hevin’ny tanora mba hanovana ny zava-misy. Izany hoe, tsy mijanona ho mpitazana fotsiny izy ireo fa afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara », hoy ny mpandinika ny fiarahamonina sady filohan’ ny Observatoire des jeunes, Ratsida Lanto.
Miara-mientana
Nivoitra tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny fomba ahafahan’ny tanora handray anjara sy hamolavola politikam-pampandrosoana. « Sehatra ahafahan’ny tanora maneho hevitra malalaka ny hetsika toy izao satria mahatsapa tena izy ireo fa henoina ary afaka mivelatra sy tomponandraikitra », hoy ny fanazavana voaray.
Tsiahivina fa efa nandray ny hetsika toy izao ny Oniversiten’Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara, raha voalohany nanao izany ny UCM. Samy nitondrana lohahevitra samihafa niarahana tamin’ireo manam-pahaizana isan-karazany izany.
Henintsoa




