Betsaka ireo fitarainan’ny mpandeha voaray eo anivon’ny kaominina Ivato manoloana ny gaboraraka ataon’ny zotra D, mampitohy an’Ivato sy Vasakaosy. « Tsy hilefitra manoloana ireny fandikan-dalàna ireny izahay », hoy ny ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna.
Anisan’izany ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra mifehy ny asa fitaterana. Manary mpandeha an-dàlana na mihodina antenantenany sy tsy mandray mpandeha miainga Vasakaosy hatrany Ivato fa ireo tapa-dalana ihany no entin’izy ireo. « Efa fotoanan’ny fanavaozana izao ka tsy azo ekena ny fandikan-dalàna tahaka izany », hoy ny eo anivon’ny kaominina.
Manentana ny tompon’ny fiara sy ny kaoperativa ny kaominina hanoro ny saofera sy ny resevera ny amin’ny lalàna sy fitsipika mifehy ny asa fitateram-bahoaka.
Tsy misy intsony ny fampahatsiahivana sy fampianarana fa miditra amin’ny fampiharana ny sazy amin’ ireo minia manao ny tsy mety ny kaominina sy ny zandary.
Ho voasazy koa ary heverina ho fahadisoana bevava ny polisy kaominaly “manotra” sy manao kolikoly ka tsy azo ekena mihitsy, araka ny fanamafisana hatrany.
Synèse R.




