Ao anatin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy isika izao. Fantaro fa azo antsoina ny laharana maitso 930 ho fitarainana sy hanaovana fanairana sy fitorohana ho an’ireo iharan’izany na ireo mahita tranga herisetra. Miseho amin’ny endriny maro ny herisetra na fampijaliana.
Manaraka fiofanana ireo mpitambolan’ny kaominina eto Analamanga. Fanatsarana sy fanarahana ny teknolojia hampirindra ny fitantananam-bola eny
anivon’ny kaominina no tanjona. Manodidina ny 40 ireo mpiofana ary haharitra 3 andro izany.
Nitsidika ny ivontoeram-pamokarana fitaovam-pianarana sy fitaovam-pampianarana Topical Wood ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Hanitriniaina Elis Karena. Vinavinaina ho 10 000 isa ny dabilio ho vokarina hatramin’ny faran’ity taona ity ary an-dalam-pandaminana ny fitsinjarana izany manerana ny Nosy ny minisitera foibe.




