Minisiteran’ny Fampianarana ambony : Mbola malalaka ny tsenan’ny asa ho an’ny niomerika

Nisongadina nandritra ny fihaonan’ny mpiantsehatra niomerika maro tetsy Fiadanana, omaly, ny nahafantarana fa mbola tena midadasika ny tsenan’asa amin’ity sehatra ity eto Madagasikara. 

Manodidina ny 30 000 ny tsenan’asa misokatra momba ny niomerika eto amintsika kanefa dia 4 000 monja ny mpianatra mivoaka isan-taona amin’ity lalam-piofanana ity, raha ny fanazavan’ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikaroana ara-tsiansa.
Mahaliana ny tanora amin’ izao fotoana ny sehatra niomerika saingy vitsy ireo tena mandalina izany sy tonga amin’ny tena fianarana sy hivoaka ho matihanina.
Nanosika ny mpisehatra samihafa hifampidinika sy ha­molavola paikady hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny asa mifanaraka amin’ny filan’ny tsena izany elanelana misy izany.
Nifantoka tamin’ny fivoaran’ ny lalam-piofanana sy ny paikady hanamafisana ny fahaiza-manao matihanina ny adihe­vitr’ireo mpiantsehatra.

Fampanana asa ny tanora

Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa
sy ny minisiteran’ny Fam­piro­boroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MND­PT) ary ireo lehiben’ny sampam-pianarana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana mampiofana momba ny niomerika ny dinika natao tamin’ity herinandro ity, teny Fiadanana. Teo koa ny solontenan’ny mpandraharaha ara-pifandraisana sy ny mpiara-miombon’ antoka.
Miray lalana ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana amin’ ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fampanana asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ilay tetikasa “Choose Digital Mada­gascar”. Tontosain’ny Goticom sy ny MNDPT ny tetikasa ary mifandray amin’ny mari-pama­nta­rana “Excelia” ka manome an­toka ny hatsaran’ny niomerika.

Tatiana A

Partager sur: