Homamiadana fahefatra mpahazo ny vehivavy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Isan-taona, 45 amin’ny vehivavy 100 000 ny tranga vaovao miseho ka ny fanaovana vaksiny anti-HPV alohan’ny firaisana ara-nofo voalohany no fiarovana tsara indrindra.
Fisorohana mahomby indrindra hiarovana ny zatovovavy amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza any aoriana, ny fanaovam-baksiny hisorohana ny fihanaky ny aretin’ny taovam-pananahana avy amin’ny tsimokaretina Papillomavirus humain (HPV). Nampidirin’ny fanjakana eto Madagasikara ny vaksiny miaro amin’izany ka ireo ankizivavy 9 ka hatramin’ny 14 taona na efa nanao firaisana ara-nofo na tsia no iantefan’ny fanaovam-baksiny. Hotanterahina ny 8 ka hatramin’ny 12 desambra ho avy izao ny fanaovana izany manerana ny Nosy. Eny amin’ny tobim-pahasalamana, sekoly sy ny toerana be olona, efa nametrahana toeram-pandraisana manokana ihany, raha ny fanazavan’ny talen’ny fanaovam-baksiny ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Tsivahiny Paubert, omaly, teny Ankorondrano. Atsindrona eo amin’ny sandry indray mandeha ny fatra tokana amin’ny vaksiny miaro tanteraka ilay vehivavy ka ny vaksiny Cécolin efa vita sedra sy manaraka ny fenitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) no ampiasaina. Manodidina ny 1 814 2 82 ny isan’ny ankizivavy tafiditra ao amin’io salan-taona 9-14 taona io, raha ny fanadihadiana navoakan’ny Instat. 80% amin’izy ireo no tanjona fa ho vita vaksiny aorian’ny hetsika.
Hampiarahana amin’ny fanatanterahana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny HPV ny vaksiny VAR miaro amin’ny aretina kitrotro ho an’ny zaza enina ka hatramin’ny 23 volana. Nanomboka ny volana janoary ka hatramin’izao, distrika 38 eto amintsika no nahitana ny firongatry ny kitrotro. 286 ny tranga voamarina fa kitrotro rehefa nivaly ny fitiliana nalefa teny amin’ny IPM, raha 1 394 kosa ny tranga hita fa tena kitrotro tokoa. Iray ny fahafatesana hita fa vokatry ny aretina kitrotro hatramin’izao. Noho izany, nandray fanapahan-kevitra ny fitondran fa hanao vaksiny faobe tsy hampiparitaka ny valanaretina.
Vonjy




