INDRAY MIJERY

Misokatra ho an’ny fikarakarana ny marary ny Ostie mpiandry raharaha eny Anosibe, Ambohima­narina, Tanjombato ary Andranomena, amin’ity faran’ny herinandro ity. Mandray ireo vonjy aina kosa ny Ostie Andranomena, Tanjombato ary Ambohimanarina, izay manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny12 ora atoandro.

Any Ambovombe no hanatanterahana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Chine. Toerana miisa efatra no hanatanterahana izany eto Madagasikara. Ahitana ny any Ambovombe, Sambava, Vatomandry ary Antana­narivo. Hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.

Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Maroc. Efa maro ireo asa vita ho fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana, toy ny fampiofanana ireo mpitsabo misahana manokana ny ”gynécologie” sy “urologie” sy ny hafa ihany koa. Teo koa ny fanokafana ivontoeram-piofanana matihanina ho an’ireo mpisehatra eo anivon’ny fahasalamana.

Partager sur: