Natao ny zoma teo, tao Kennedy Center Whashington Etazonia, ny antsapaka ireo firenena 48 hanao «Mondial 2026», taranja baolina kitra. Tafara-bondrona ny Lion de la Téranga Sénégal sy i France. Hanala vela amin’ity ny frantsay. Raha tsiahivina, resin’i Sénégal, 1 no ho 0, izy ireo, nandritra ny “Mondial 2002” tany Corée sy Japon. Amin’ity, hifanandrina ao Metlife Stadium New-York izy ireo, ny 16 jona 2026. Ankoatra izay, miisa enina ireo sokajy mbola miandry lalao sakana. Hiady toerana ao amin’ny vondrona A i Danemark sy Tchécoslovaquie, Irlande ary i Macedonie Avaratra. Ny vondrona B misy an’i Bosnie-Herzegovine, Pays de Galles, Irlande Avaratra ary Italie. Ny vondrona D, miandry izay tafavoaka amin’i Turquie, Slovaquie, Kosovo ary i Roumanie. Ny sokajy F, ahitana an’i Ukraine, Pologne, Albanie, Suede. Ny vondrona K, misy an’ny RD Congo, Jamaique, Nouvelle-Calédonie ary ny vondrona I misy an’i Sénégal sy i France, miandry izay afaka amin’i Irak, Bolivie ary Suriname.
Tompondaka
Vondrona
«A» : Méxique, Afrika Atsimo, Corée Atsimo, sakana 1
«B» : Canada, sakana 2: Quatar, Suisse
«C» : Brésil, Maroc, Haiti, Ecosse
«D» : Etazonia, Paraguay, Australie, sakana 3
«E» : Allemagne, Curaçao, Côte d’Ivoire, Equateur
«F» : Pays-Bas, Japon, sakana 4, Tunisie
«G» : Belgique, Egypte, Iran, Nouvelle-Zélande
«H» : Espagne, Cap-Vert, Arabie Saoudite, Uruguay
«I» : France, Sénégal, sakana 6, Norvège
«J» : Argentine, Algérie, Autriche, Jordanie
«K» : Portugal, sakana 5, Ouzbekistan, Colombie
«L» : Angleterre, Croatie, Ghana, Panama




