INDRAY MIJERY

Hisy varavarana misokatra hanaovana tolotra ara-pahasalamana ny alarobia izao, ao amin’ny CHU-JRA. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny hopitaly izany.Hisy ny fizahana sy fitsaboana maso, ny aretina mpahazo ny taolana sy ny vanin-taolana, ny famantarana ny sokajin-dra, ny fitiliana ny faingon-tsela…

Notokanana ny Oniversiten’i Vakinankaratra ao Vatofotsy Antsirabe. Hisy sekoly efatra mandrafitra azy io ary mifanaraka amin’ny filàn’ny faritra sy ny toekarena ny lalam-piofanana ao. Zava-dehibe ho an’ny Faritra ny fisian’ny oniversite, indrindra amin’ny fanomezana sehatra ireo tanora vao afa-panadinana bakalorea…

An-tsitrapo ny fanaovana ny vaksiny HPV, izay hanentanana ny mpianatra eny an-tsekoly fa tsy an-tery velively, araka ny tenimita avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Arahin’ny fankatoavan’ny ray aman-dreny ny fanatanterahana izany. Tokony handefa taratasy fampahafantarana ny ray aman-dreny, araka izany, ny talen-tsekoly.

Partager sur: