Lion’s Sight First : Nanao fitiliana maimaimpoana

Tontosa tetsy amin’ny HJRA, ny sabotsy teo, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fikambanana Lions Sight First Madagascar (LSFM). Noma­rihina tamin’ny hetsika ara-pahalasamana maimaimpoana ho an’ny mponina eto Antananarivo izany. Nahitana ny fijerena maso, ny fitsapana tosidra, diabeta, fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Niampy ny homamiadana mpahazo ny ankizy ary ny fanomezan-dra. “ Misy filana eny anivon’ny fiarahamonina mahakasika ireo aretina ireo ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy Ranai­vo­arisoa Nina, filoha eo anivon’ny Région 3.
Be mpisafidy, nandritra ny hetsika, ny fitiliana ny areti-maso, anisany ny katarakta. Tsapa fa mihamaro ny olona voan’io aretina io eto Madagasikara noho ny antony maro samihafa. Tafiditra amin’ izany ny fahanterana, ny tsy fitandremana eo amin’ny asa atao ary ny fijerena finday matetika sy ny maro hafa. Manomboka tratran’io aretina io ny olona manodidina ny 60 taona. Mety ho tratran’izany koa anefa ny ankizy. Misy ifandraisany ny maso sy ny aretina hafa, toy ny diabeta. “Mety hitarika any amin’ny katarakta avokoa izany raha sanatria ka tsy voatsabo sy voaara-maso. Ilaina, araka izany, ny fanaovana fitiliana mialoha mba hisorohana sy hitsaboana ny aretina”, hoy Rabenjamina Olivier, tale jeneralin’ny fikambanana LSFM. Efa nahatratra 93 000 ny olona nahita tombontsoa tamin’ny hetsika sy fitiliana maimaimpoana, tao anatin’ny 27 taona nanaovana izany.

Mino

Partager sur: