Tontosa omaly, teo amin’ny Kianja Makis, ny andro fahefatra fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Niondrika teo anatrehan’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 17 no ho 15, ny USA Ankadifotsy. Niady tanteraka hatramin’ny farany ny fifanandrinan’ny roa tonta. Raha hiverenana ny fihaonana omaly, ny ekipa avy etsy Ankadifotsy no nahatonga baolina nentin-tanana voalohany, roa minitra nanombohan’ny lalao. Taorian’io, nahatsindry ny baolina ihany koa ny mpilalaon’i Manjakaray. Sahala 7 no ho 7 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tany amin’ny enina minitra tsy hidirana amin’ny fialan-tsasatra, nahatondra «essaie» indray ny ekipan-dry Matfield, mpilalaon’Ankadifotsy. Tsy voatsara izany ka lasa 15 no ho 7 ny lalao, nitarika ny USA. Teo amin’ny fidirana faharoa, nahavita nitsara CCP ihany koa ny FTM, niakatra ho 15 no ho 10 ny isa teo. Minitra faha-60, nahatondra baolina indray ry Koroka sy ny namany. Lasa nitarika 17 no ho 15 ny Manjakaray teo. Tsy niova tamin’io ny isa, nandresy ny FTM. Ankoatra izay, hatao ny 20 sy ny 21 desambra ho avy izao ny fankalazana ny faha-125 taonan’ny baolina lavalava eto Madagasikara.
F.R




