Fahasalamam-bahoaka ao Vatomandry : Namoaka mpampivelona sy mpitsabo mpanampy 69 ny Ispava

Hanampy isa ireo efa am-perinasa ny mpiofana nahavita fianarana ho rasazy sy paramédicaux, tao Vatomandry.

Lanonam-panjakana ma­nana ny maha izy azy na tsy natrehin’ny solontenam-panjakana avy amin’ny faritra Atsinanana sy ny prefektioran’i Toamasina aza ny famoahana amin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro lasa teo, ireo mpiofana 69 tao amin’ny sekoly Institut supérieur des paramédicaux de Vatomandry (Ispava). Niana­tra manokana ny sehatry ny mpampivelona sy mpitsabo mpanampy izy ireo. Nahavita telo taona tao Vatomandry ary hanome aina vao sy hiantsoroka ny asa ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Notanterahina tao amin’ny “Salle d’oeuvre” katolika ao an-toerana ny lanon­ana araka ny didim-panjakana laharana faha 37.441/2014 avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ny 26 desambra 2014, ho fampiroboroboana ny fampiofanana sy ho fanitarana fahaiza-manao momba ny “sciences de la santé”.

Mazava ny hafatry ny ben’ ny Tanànan’ i Vatomandry teo amin’ny fandraisam-pitene­nany ho an’ireo nahavita fiofanana. ” Ho an’izay mbola ha­nohy fianarana, tsofina rano hiakatra ambonimbony kokoa ary hahazo ny mari-pahaizana amin’izany. Ho an’ireo efa hi­tady asa kosa, hahita hain­gana fa atsaharo sy halaviro ny kolikoly sy ny fizahozahoana any ambanivohitra satria do­kotera no fiantsoana azy ireo. Tokony tsy hisy ny avonavona amin’ny fandraisana ny marary fa ny aina dia mitovy ho an’ny rehetra. Zo fototra ananan’ny olombelona rehetra tokoa ny hotsaboina sy hahazo fahasalamana,” hoy ny ben’ny Tanà­nan’ i Vatomandry. Razafi­niera Paul.

Sajo

Partager sur: