hiatrehina ny fadimbolana: Hofanina hanjaitra seriveta azo sasana ny vehivavy

Vehivavy tanora sy renim-pianakaviana maro, ahitana olona manana fahasembanana, no manaraka fiofanana momba ny fanjairana seriveta azo sasana etsy amin’ny foibem-piofanana arakasa etsy Tsimbazaza.

“Tafiditra ao anatin’ny hetsika 16 andro ho an’ny fanentanana ho an’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy izao fiofanana izao”, hoy ny tale misahana ny vehivavy sy ny miralenta ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, Havanirina Jolcette Emilienne.

Filana fototry ny vehivavy mihitsy ny seriveta noho ny fahatongavan’ny fadimbolana izay tsy azo hiodivirana eo amin’ny vatany. Hahafahany misitraka fahadiovana ny fampiasana izany. Misoroka
amin’ny fanilikilihana mety hianjady aminy eny amin’ny fiarahamonina ihany koa ny fampiasana azy io. Miantoka ny fahasalaman’ny fanana­hana ny fampiasana seriveta madio sy misolosolo ka izany indrindra no hanentanana ny vehivavy.

Mavesatra ho an’ny vehivavy ny vola mivoaka isam-bolana natokana ho an’ny seriveta mahazatra eny an-tsena. Manodidina ny 4 000 Ar isam-bolana ny vola lanin’ny vehivavy iray amin’ny fividianana izany. Raha manan-janaka roa vavy miaraka amin’ ny reniny izany dia tafakatra
1 2000 Ar isam-bolana ny vola natokana ho amin’izany fotsiny ao an-tokantrano.

Mampihena ny vola mi­voaka isam-bolana ny fampiasana io seriveta azo sasana io. Afaka atao fitadiavam-bola ihany koa ny fahaizana manjaitra.

Tatiana A

Partager sur: