INDRAY MIJERY

Tanterahina rahampitso ny varavarana mi­sokatra ho fankalazana ny faha-50 taonan’ny CHU-JRA, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva, eny an-toerana. Hisy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, toy ny fizahana sy fitsa­boana maso, fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy fanomezana torohevitra samihafa ary fampahafatarana ny sampam-pitsaboana misy ao amin’ny CHU-JRA mandritra izany.

Maneran-tany, mitana ny laharana fahefatra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza raha ny tahan’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy no re­sahina. Eto Madagasikara, amin’ny vehivavy 100 000 maty isan-taona, 41 amin’ireo matin’ny homamiadan’ ny vozon’ny tranon-jaza avokoa. Izany no maha­tonga ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka, manolotra maimaimpoana andro hanaovana vaksiny ireo zazavavy 9 ka hatramin’ny 14 taona. Nanomboka omaly ary hifarana ny zoma ho avy izao ny hetsika.

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fampiana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny fiaraha-miasa ameri­kanina-Madagasikara (AmCham), ny herinandro
lasa teo. Tanjon’ny minisitera ny hampiakarana ny tahan’ny tanora miditra eo amin’ny sehatry ny asa. Vonona ny hifanome tanana amin’ny minisitera ny AmCham, rafitra iray eo ambany fiahian’ny firenena amerikanina. Hiompana amin’ny sehatry ny varotra ny tantsoroka, eo koa anefa ny fampianarana ny teny anglisy sy ny varotra iraisam-pirenena mankany Etazonia.

Partager sur: