Tafiditra ao anatin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra ny hetsika notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina tetsy Antaninarenina, omaly.
Nisy ny fanentanana sy fanamafisana ny hetsika ataon’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny ady amin’ny herisetra nataon’ny minisitry ny Mponina, Raharinirina Sidonie. Anisan’ny misehatra ami’izany ny fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpiara-miombon’antoka.
Fiarahamonim-pirenena miasa amin’ireo faritra 8 sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Fondation Aga-Khan miaraka amin’i Canada no nanao ny tomban’ezaka vita tamin’ireo tetikasa natao teny ifotony. Nijerena ny fanatsarana tokony hatao amin’ny fanohizana ny asa ihany koa izany.
Nanazava ny talen’ny Sampandraharaha misahana ny vehivavy sy ny miralenta, Havanirina Jolcette Emilienne, fa efa nisy ny famolavolana paikady nasionaly mahakasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy. Efa nisy koa ny famolavolana ny politika nasionaly ho an’ny fampitovian-jo. Mitohy ny ezaka ary efa misongadina ny vokatra toy ny fankatoavan’ireo raiamandreny ara-drazana ary efa tena tonga saina izy ireo amin’ny fanentanana sy ny fanomezan-danja ny vehivavy amin’ny sehatry ny fiarahamonina.
Ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona dia efa mahafantatra ireo ray aman-dreny fa tena fady izany.
Tatiana A




