Gen Y: “Tokony hajaina ny hetahetan’ny mpitolona”

Nanatanteraka fivoriambe tetsy Mahamasina ny mpikambana ao amin’ny Gen Y, ny sabotsy lasa teo. Mametra­ka ahiahy ireo mpikambana ma­noloana ny zava-misy ankehitriny, indrindra ny ma­hakasika ny fanovana hatao eto amin’ny firenena. “Tsy voahaja ny hetahetam-bahoaka, tsy mitovy tamin’ny fitakiana sy ny he­tahetan’ny mpitolona teny an-kianja ny zava-misy amin’izao”, hoy izy ireo. Mbola maro ny olon’ny fitondrana teo aloha mahazo sy mikasa ha­hazo toerana amin’izao fotoana, raha ny fanambarana. Ma­nao antso avo ho amin’ny ko­lonely Randrianirina Michaël izy ireo mba hijery ny fanendrena ny lehiben’ny faritra. No­tsindrin’izy ireo manokana ny any amin’ny faritra Melaky. “Misy olona tsy tokony hotendrena amin’ireo nandefa an­tontan-taratasy, aleonay ko­koa ary mahita ny miaramila mitantana ny faritra toy izay ireo olona ireo”, hoy i Maro­lahy Madove, filoha nasiona­lin’ny fikambanana Gen Y ofisialy.
Tonga nanatrika ny fivoriana ny mpikambana avy eto Antananarivo, avy amin’ny faritr’i Melaky, Menabe, Iho­rombe, Matsiatra Ambony ary Betsiboka. Tonga nanatrika ny hetsika ihany koa ny ben’ny Tanànan’i Tsaratanàna. Ño­ha­mafisin’izy ireo fa hiverina hidina an-dalambe izy ireo raha toa ka izay ny hampilana ny raharaha.

Mino

Partager sur: