INDRAY MIJERY

Nomena fahalalana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa 20 avy amin’ny fikambanana sy tanora ma­nana fahasembanana. Natao ho an’ireo vonona hisehatra eny anivon’ny fiarahamonina hanampy ireo mpiara-belona aminy amin’ireo loza mety hitranga ho an’ny faritra Boeny izany. Naharitra telo andro ny fiofanana. Lohahevitra nosafidina ny hoe “Des jeunes engagés dans les réponses humanitaires à Madagascar”. Na­nofana ny BNGRC, ny Fisa, ny UNFPA ary ny PCVA-Fisa Mahajanga.

Nisy ny fivoriana nampitain-davitra teo amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ireo solontenan’ny manampahefana britanika ary ny Oniversite britanika nanomanana ny “Mé­morandum of Understanding”. Hataon’ny delegasionina malagasy, izay tarihin’ny minisitra any Londres izany, ny volana janoary 2026. Tanjona ny fanaovana sonia ara-dalàna sy ny fanombohana ofisialy ny hetsika iombonana voalohany ao anatin’ny MG-UK Partner­ship, mi­araka amin’ny oniversite sangany any Grande-Bre­tagne toy ny Durham University, Homertom Collège Cambridge, London School Economics ary ny Univer­sity of East London.

Nisy ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fa­hasalamam-bahoaka sy ireo delegasionina tany amin’
ny faritra Itasy sy Bongolava, ny faran’ny herinandro teo. Hitohy amin’ity herinandro ity ny fidinana ifotony hitondrana vahaolana amin’ireo sedra sy sakana manohintohina ny fanatanterahana ny asa fitsaboana any atsimon’ny Nosy.

Partager sur: