Lalao Fihezama 2025 : Any Manjakandriana, ny 20 sy 21 desambra

Any Manjakandriana indray no hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fitaizana herin’ny zatovo malagasy), ny 20 sy 21 desambra izao. Fotoana hanehoana firahalahiana, fifankatiavana, fihavanana ary firaisankina ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Manentana ireo mpikatroka mivondrona eo anivon’ny Fihezama ity filoha ity handray anjara ary hanatona ny Foiben’ny Fihezama. Miantso ihany koa izy ho an’izay malala-tanana hanohana ity hetsika goavana hahafahana mampivondrona ny tanora mpanao fanatanjahantena eo anivon’ny Fihe­zama ity. Tsiahivina, fikambanana iray mitaiza tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina ny Fihezama. Tanjony ny hitarika ny tanora amin’ny lalana tokony halehany fa tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Taranja maro no hifaninana amin’ity Lalao Fihezama 2025 ity, ka hahitana ny taranja haiady isan-karazany sy ny taranja iraisana, toy ny baolina kitra sy basikety. Hisy ihany koa ny dihy sy hiragasy, mandritra izany.

Mi.Raz

Partager sur: