SOS Villages d’enfants : Omena sehatra amin’ny fakan-kevitra ny ankizy

Nanomboka omaly, tetsy Ambodivona, ny fakan-kevitra nasionaly tanterahin’ny fikambanana SOS Villages d’enfants. Hiitatra manerana ny Nosy, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Raharinarivonirina Maria, ny hetsika.

Hisongadina ao anatin’ny fakan-kevitra ataon’ny SOS Villages d’enfants ny fanomezana sehatra ny ankizy haneho hevitra. Hi­tondra ny hetahetany sy handrafitra ny hoaviny amin’ ny paikady nasionaly ihany koa momba ny fiahiana azy ireo, mandritra ny 5 taona (2026-2030).
Asaina mamoaka hevitra momba ny tombana sy fanarenana ny lesoka ireo ankizy. Hivoaka, amin’izany, ny tena faniriany, hahafahana manatsara ny fiahiana azy ireo. Mpandray anjara feno amin’ny fitondrana fanovana izay imasoana amin’izao fotoana ny ankizy sy ny tanora, raha ny fanazavana.
Tao anatin’ny 36 taona nisian’ny SOS Villages d’enfants, nisongadina ny zava-bita. Nivelatra ny sehatra fiahiana ireo ankizy izay efa atao manerana an’i Madagasikara.
Manodidina ny 5 alina isan-taona ny ankizy raisin’ny fikambanana an-tanana, ma­nerana ny faritra 7 hiasana. Anatin’izany Analamanga, Va­kinankaratra, Boeny, Atsi­na­nana, Anosy, Atsimo An­dre­fana ary Androy. Efa ma­nana Villages efatra ny fikambanana ankehitriny, toy ny any Anôsy, Vakinan­karatra, Atsinanana ary ny eny Vonto­vorona.
Miahy ny ankizy kamboty ary mamolavola azy ho tonga olom-banona ny akany, raha ny fanazavana nomen’ny tale nasionaly, Ratsimisetra Felam­boahangy. Mikarakara ny fahasalamana sy ny fanabeazana ny ankizy ary mamoaka azy hanana fahaleovantena ara-pivelomana mihitsy izy ireo.
Ankoatra ny fiahiana ny ankizy any amin’ny Village anefa dia miahy ireo ankohonana marefo mba tsy hisian’ ny herisetra amin’ny zaza ao an-tokantrano ihany koa ny fikambanana. Manohana ilay fianakaviana mihitsy mba hahaleo tena ara-pivelomana, hahafahany mikarakara tsara ny zanany.
Raisina an-tanana ny fa­nohanana ireo ankizy tandindomin-doza eny amin’ny fiarahamonina mba tsy hiva­rina amin’ny fahalavoana, hi­tombo sy hivelatra ary ho tonga olom-banona.

Tatiana A

Partager sur: