Zava-doza ny tsimokaretina Papillomavirus humain (HPV) aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Mitarika amin’ny homamiadan’ ny vozon’ny tranon-jaza izany, antony faharoa mahafaty ny vehivavy eto Madagasikara sy maneran-tany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Médecins du monde, Rakotovololona Nathalie. Ireto farany izay ao anatin’ny Coalition forum génération égalité (FGE) miady ho an’ny zo ara-pananahan’ny vehivavy sy ny tovovavy. Izay no tena maha zava-dehibe ny fanaovana maimaimpoana ny vaksiny Cecolin miaro amin’ny HPV tanterahina mandritra ity herinandro ity, manerana ny Nosy. Manentana ny Vovonana eny anivon’ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina hanao ny vaksiny miaro ny zatovovavy amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Natokana ho an’ny ankizivavy 9-14 taona ny vaksiny. Ho an’ny telo andro voalohany, tsapa fa marisarisa ny ray aman-dreny ho an’ny sekoly izay nanaiky ny handray ny mpanao vaksiny, mila maka fankatoavana avy amin’izy ireo vao afaka manatanteraka ny vaksiny atsindrona eo amin’ ny sandry ny mpiasan’ny fahasalamana. Be fanahiana amin’ny «effets secondaires» sy ny tsaho mandeha fa tsy mampiteraka ny vehivavy ity vaksiny anti-HPV ity ny ray aman-dreny ka maro no tsy nanome fahazoan-dalana ny zanany vavy hisitraka izany. Io ihany anefa no miaro amin’ ny HPV izay mitarika ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza eo amin’ny vehivavy any aoriana. 10 taona aty aorian’ny nidiran’ny tsimokaretina ao amin’ny vatana vao miseho ny soritraretina.
Vonjy




