« Tany amin’ny taona 2013-2015, faritra 16 amin’ny faritra 22 no voafaritra fa marefo. Amin’izao fotoana izao, marefo avokoa ny faritra 24 noho ny fiovan’ny toetr’andro », hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, omaly, teny Andrainarivo.
Efa fanao isan-taona ny fanazarana amin’ny fiomanana momba ny fiatrehana ny voina (Simex) rehefa ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Niainga teo amin’ny foiben’ny BNGRC teny Andrainarivo ny fanatanterahana azy fa niara-nanao izany kosa ny faritra 15 izay voafaritra taorian’ny famoahan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro ny vinavina ho an’ny taom-pahavaratra 2025-2026.
Mandritra ny fanazarana no hijerena ny fomba fiasan’ny mpisehatra rehetra mifanaraka amin’ny vinavinan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Raha hita fa misy ny olana, ezahina ny hitady vahaolana. Fizarana ny fananganana tranolay, fampidirana ny olona eny amin’ny toeram-pandraisana, serasera mandritra ny fandalovan’ny loza ary ny fampiasana ireo fitaovana fitaterana samihafa (vedety haingam-pandeha, moto pompe, tsofa fanapahana hazo…) ary ny sakafo ho an’ny traboina efa mipetraka amin’ny toerana isehoan’ny tranga matetika.
Miaraka nanatanteraka ny fanazarana koa ny mpiray ombon’antoka rehetra amin’ny BNGRC.
Momba ny fihotsahan’ny tany sy ny vato eny amin’ny faritra avo, indrindra eto Antananarivo, efa napetraka ny saina mena mampahafantatra fa misy ny loza mitatao rehefa fotoam-pahavaratra. Hampandraisana andraikitra koa ireo mponina eny amin’ireo fokontany voakasika mandritra ny fanentanana atao.
Tsy mbola nisy tatitra tonga momba ny traboina tao anatin’ny orana misesy nandritra ny andro maromaro. Manara-maso ny fiakaran’ny rano kosa ny ekipan’ny BNGRC eny Anosizato Andrefana, Anosizato Atsinanana, Ampitatafika, Antandrokomby. Ho an’ny faritra avaratra, ny reniranon’i Mahavavy, tao anatin’ny roa taona, no nahitana fiakarany vokatry ny orambe ka nahatapaka ny tetezana, efa nisy ny fiomanana amin’ny fijerena ny fitaovana sy ny fanentanana ny olona rehetra eny ifotony sy fampandraisana andraikitra azy ireo.
Vonjy




