Tontosa ny alahady 7 desambra lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Combat de défi”, teo amin’ny taranja haiady Pancrace-MMA sy Kick Boxing. Katrok’ ady 12 no nitranga ary nisongadina ny klioban’ny Tsunami izay nibata fandresena 4 tamin’ireo ady 12 natao. Teo amin’ ny sokajy vehivavy, latsaky ny 77 kg, norombahin’i Aimée (Cosfa) ny fandresena, nanoloana an’i Tiana Be (JC2A), tamin’ny alalan’ny “soumission” teo amin’ny fihodinana fahatelo.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, anisan’ny ady nisongadina ny fifandonana teo amin’i Birinod avy any Antsirabe sy i Rasta (TSCA) ka resin’i Birinod tamin’ny KO teo amin’ ny fihodinana fahatelo i Rasta. Nanolotra fisaorana ho an’ny rehetra niara-nisalahy tamin’ity fifaninanana ity ny mpikarakara ny Tambohobe (Tanora mbola ho beazina), ny CMPS.
Mi.Raz
Vokatra
Vehivavy:
-77kg: Aimée Cosfa nandresy an’i Tiana Be JC2A (soumission 3rd Rnd 2’35).
Lehilahy:
-61kg: Herman Tsunami nandresy an’i Njara TCDCL (KO).
-56kg Combat: No Contest teo amin’i Tomili Tsunami sy i Vazaha TSCA.
-61kg: Jomala Tsunami nandresy an’i Tolotra Cosfa (KO 30s).
-70kg: Bidy Antsirabe nandresy an’i Njaka Cosfa (KO 2nd Rnd 1’50).
-56kg: François TSCA nandresy an’i Liva Metal Force (soumission).
-61kg: Bienvenue MMA Fighting nandresy an’i Fandresena Metal Force (soumission 2nd Rnd 2’44).
-70kg: Jocelyn TSCA nandresy an’i Julien Transformer (soumission 1st Rnd 1’16).
-84kg: Tommy Tsunami nandresy an’i Tafita TSCA (soumission 3rd Rnd).
-70kg: Denis Cosfa nandresy an’i Samuel TSCA (KO 2nd Rnd).
-77kg: Fitiavana TSCA nandresy an’i Mamy Cosfa (soumission 28′ 1st Rnd).
-70kg: Birinod Antsirabe nandresy an’i Rasta TSCA (KO 3rd Rnd).




