Tomponandraikitra feno  

Vao misintakakely ny renivohitra dia miova tanteraka ny zava-drehetra. Tsy misy aloha hatreto raha ny lalam-pirenena miala an’Antananarivo ka mampazoto ny handeha ami­ny. Tena ny lavaka sy ny fota-drevo no namana. Mihon­tsakontsana tsara ny tsinay, ny aty, vavony. Manginy fotsiny ny fahasimban’ny fitaovam-pitaterana. Raha atao indraimbava dia faharavana tanteraka.
Ny tena zava-doza ary tokony hampisaina ny mpitondra fanjakana, izay nanaiky ny hanohy ny teo aloha dia ilay asa alasafay. Mahavariana ny mpampiasa lalana fa ny tsara trongisina dia avela eo. Ny lavaka tampintapenana sy zara raha mitototra. Tsy mahagaga raha ny eo vita, ny simba dia boribory vetaveta eo. Toa tsy mba fanamboarana no hatao fa fizarana tsenam-barotra fotsiny.
Ny vahoaka hatrany no mahita faisana sy mizaka ny tseran’ny aina. Ny karazan-ketra alaina amin’ilay sarambabem-bahoaka anefa miakatra miakatra hatrany. Fitakiana amin’izany tsy misy lerany fa tsy maintsy haloa, raha tsy izany sazy. Toa tsy mifandanja ilay fizarana ny tombontsoa eto amin’ny firenena. Ny mpitondra sy ny mpiara-miombon’ antoka aminy no migoaka ny soa manokana.
Tsy mahakivy na mandreraka ny mamerimberina izany satria ilay vahoaka andriamanjaka no misery ho “andevon’ny fahantrana sy ny fanambakana”. Tsy maintsy hovana sy resena anefa izany amin’izao fotoana izao. Fanavaozana no dradradradraina! Manavao inona dia manavao mankaiza ary isika mianakavy? Tsy tokony ho tsinontsinoavina ny maro anisa.
Mahakasika ny lalana, izay aim-pirenena dia tsy maintsy mandray fepetra ny fanjakana mpanavao fa tafahoatra ny zava-misy. Tsy ampy ny fialokalofana amin’ny fandovana ny teo aloha. Matoa nanaiky handray fitondrana dia manana adidy!

r.r

Partager sur: