Tsipy kanetibe Analamanga : Lany ho filohan’ny ligy Andriantsiferana Ravaka

Taorian’ny famerenana ny latsa-bato, tanteraka soamantsara ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Lany hitantana Andriantsiferana Ravaka ho an’Analamanga, ary Randrianarivahiny Dina kosa ny an’i Matsiatra Ambony.

Tontosa omaly, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fifidiananana izay ho filohan’ny Ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Lany hi­tantana izany, mandritra ny efa-taona manaraka Andrian­tsi­ferana Ravaka. Nahazo vato 16 tamin’ireo mpifidy 24 ny tenany raha toa ka 7 ny an-dRamananjatovo Heritiana, mpifaninana taminy. Iray vato maty. «Vonona ny tenako ho an’ireo klioba rehetra, tanjona ny hampandroso ny tsipy ka­netibe eto amin’ny faritra Ana­lamanga» hoy i Ravaka, filohan’ny ligin’Analamanga. No­marihiny fa hataony ho laharam-pahamehana ny fiantsoana ireo klioba eto an-toerana. «Hifampidinika ny zavatra tsara hatao hampandroso ity tsipy kanetibe eto Analaman­ga ity», hoy izy. Niantso fiaraha-miasa ny tenany amin’ny hanasoavana ity taranja ity.  Izy indray izany no handimby an’Andrianolalaina Robinson, filoha teo aloha. Tsiahivina fa miisa 40 ireo klioba eto Ana­lamanga saingy maro ireo tsy mbola nahavita nanavao ny ta­ratasy fanamarinana ny fi­siany ka tsy afaka nandatsa-bato.
Ankoatra ny teto Anala­man­ga, tontosa omaly ihany koa, ny tany Matsiatra ka lany hitantana izany Randriana­rivahiny Dina Herimalala. Na­hazo vato 5 tamin’ireo 10 nifidy ny tenany raha 3 kosa ny an-dRajaona Kaleba. 2 ny vato maty.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy tontosa ny sabotsy lasa teo ireo fifidianana ireo ka antony namerenana azy omaly. Nanatrika ny fotoana ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny administratera sivily ary ny tomponandraikitry ny Ceni tsipy kanetibe. Dingana manaraka ny fifidianana izay ho filohan’ny federasionina (FSBM), hatao ny 27 desambra ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: