Kitra – «Tournoi des Grands Elites» : Tsara toerana ny Disciples FC

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Velodrome Antsirabe, ny andro farany amin’ny fifaninanana «Tournoi des grands élites», taranja baolina kitra. Tsara toerana amin’ity fifanintsanana ity, ha­treto, ny Disciples FC Vaki­nankaratra. Raha tsiahivina, lavon’izy ireo tamin’ny isa 8 no ho 1, ny alakamisy lasa teo, ny As Valahara, tompondakan’i Vakinankaratra. Hifanandrina amin’ny ekipan’ny Fosa Ju­niors Boeny, ny Disciples FC, farany amin’ity fifaninanana ity, anio. Raha mandresy na manao sahala amin’io fifandonana io ny Disciples FC, azo antoka fa izy ireo no hibata ny amboara amin’ity andiany voalohany amin’ny «Tournoi des grands élites» ity. Nan­dritra ny lalao roa nataon’ity ekipan’ny Vakinankaratra ao amin’ny Pureplay Football League (PFL) ity, nahita fandresena roa izy ireo. Efa nandresy ny Cosfa miaramila tamin’ny isa 2 no ho 0, teo amin’ny andro voalohany. An­koatra izay, hifandona amin’ny As Valahara, anio ihany, ny Cosfa. Marihina fa natao ha­nomanana ny fifanintsanana nasionaly diviziona voalohany ity «Tournoi des grands élites», ity.

Fitia Randria

Partager sur: