Baolina kitra – « Tournoi des Grands Elites »: Azon’ny Disciples FC ny amboara

Nahavita lalana tsy nisy lesoka ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra nandritra ny fifaninanana « Tournoi des Grands Élites », izay natao tao amin’ny kianja Velodrome Antsirabe, ny 9-13 desambra lasa teo. Fandresena roa nifanesy sy lalao iray nifarana ta­min’ny ady sahala no naha tompondaka azy ireo tamin’ity fifanintsanana ity. Ny sabotsy teo, nanao ady sahala 1 no ho 1, tamin’ny klioba avy any Boeny, Fosa Juniors FC, izay laharana fahatelo tamin’ity lalao ity ny mpilalaon’i Vaki­nankaratra. Ity klioba avy atsy Boeny ity, saika mpilalao avy ao amin’ny akademiany avokoa no mandrafitra azy ankehitriny. Ankoatra izay, mipe­traka eo amin’ny laharana fa­haroa teo amin’ny lampihazo fandraisana amboara, ny Cosfa miaramila rehefa na­hazo fandresena, 3 no ho 0 nanoloana ny ekipa tompondakan’ny ligin’i Vakinanka­ratra, AS Valahara. Tsara ny mampahafantatra fa nahazo lelavola 2 tapitrisa ariary ny ekipa tompondaka ary 5 hetsy Ariary ny an’ny faharoa. Samy nandray 2 hetsy Ariary kosa ny fahatelo sy ny fahefatra. « Efa roa volana teo izahay izao no nanomana ary efa hi­ditra ny volana fahatelo amin’ izany izao. Ny olana fotsiny, dia somary mifamafao ihany ny vaovao henonay, amin’ny daty ofisialy hanombohan’ny fifaninanana, ao ny hoe : tsy manomboka amin’ny 21 desmabra, indraindray hoe hatao amin’io 21 io ihany, ka tsy fantatra intsony ilay izy, ka lasa manomana an-jambany fo­tsiny ny klioba. Avy eo ny toe-batan’ ilay mpilalao tsy any amin’ilay ilana azy no tena mivaly. Na eo aza izany, miezaka izahay teknisianina ma­noloana izany rehetra izany. Ny lalao ara-pirahalahiana no atao maro, ary efa mametraka sahady ny paikady ara-taktika izahay », hoy ny « staff » iray teo anivon’ny Disciples FC. Ny 28 desambra izao, any Toa­ma­sina, hanao fihaonana ara-pirahalahiana amin’ireo mpila ravinahitra any ivelany, ny Disciples FC Vakinankaratra.

Fitia Randria

Partager sur: