Nijery ifotony ny fizotry ny asa fametrahana “panneaux solaires” avy amin’ny fitondram-panjakana tao amin’ny oniversiten’i Toliara ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy tamin’ity herinandro ity, nandritra ny fandalovany ao an-toerana.
Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hanamafisana ny fahaleovantenan’ny oniversite amin’ny lafiny angovo ho fanohanana ny asa fampianarana sy fikarohana ny fampiasana ny panneaux solaires.
Ankoatra izay, nitafa mivantana tamin’ireo mpampianatra, mpandraharaha, mpianatra ary ny Fivondronamben’ny mpampianatra ihany koa ny tenany. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fiahiana ny fiainan’ny mpampianatra sy ny mpianatra, ary ny fanohanana ny asa sy ny fandraharahana eo anivon’ny oniversite.
Nihaino sy nandray ny hetahetan’ny rehetra ny minisitra ka nandrisika ho an’ny fiaraha-mientana ho fampandrosoana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara.
Vonjy




