Hiatrika lalao 3 avy hatrany ny Ankoay ny volana febroary sy marsa 2026. Lalao izay hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Basikety 5×5, eo amin’ny sokajy lehilahy.
Taona anisan’ny manan-danja ho an’ny Ankoay ny taona 2026, izay hanatanterahan’izy ireo lalao maromaro hiadiana ny tapakila ho an’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, eo amin’ ny basikety lalaovin’olona 5. Taorian’ny « Afrobasket 2025 » natao tany Angola, hiatrika lalao 3 indray ny Ankoay, lehilahy, ny volana febroary sy marsa 2026. Fifaninanana hatao any Doha, manomboka ny 26 febroary 2026. Ny ekipan’ny Repoblika Demokratika ny Congo no hihaona voalohany amin’i Madagasikara amin’io andro io, raha toa ka ny ekipa mampiantrano, i Senegal kosa no hifanandrina amin’izy ireo, ny 27 febroary. Hifarana amin’ny lalao izay hifandonana amin’i Côte d’Ivoire, ity fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany ity, ho an’ny Ankoay, ny 1 marsa 2026. Ekipa goavana sy manana ny lazany avokoa ireo ekipa hifanandrina amin’i Madagasikara ireo. Lalao 3 hahafahan’i Madagasikara manohy ny tantara sy hampiakatra indray ny basikety malagasy amin’ny ambony kokoa ireto lalao 3 hatrehan’ izy ireo ireto. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona B, ahitana an’i Senegal, Côte d’Ivoire ary ny Repoblika Demokratika ny Congo no misy an’i Madagasikara, amin’ity fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, basikety 5×5 ity.
Mi.Raz




