Notokanana ny sabotsy teo, ny QG an’ny Gen Y-Tana IV, etsy Anosibe Andrefana II. Natao handraisana ny fitarainan’ny mponina rehetra eny ifotony io toerana io. Tonga nanotrona izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fenosoa. Ankoatra izay, nanatanteraka fivoriambe teny an-toerana ihany koa izy ireo. Tonga maro nanatrika izany ny mponina eny an-toerana. Fotoana nihainoana ny hetahetam-bahoaka sy ny olana ara-tsosialy izay mianjady sy iainan’izy ireo ny natao tamin’io andro io. “Amin’ny alalan’iny fakan-kevitra iny no hahafahana mitady vahaolana lavitra na fohy ezaka manoloana izany”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Randriamanantsoa Lova, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana.
Maro ny fangatahan’ny mponina
Nanomboka tamin’ny 2 ora hatramin’ny 6 ora hariva teo ny fihaonana teo amin’ireo tomponandraikitry ny Gen Y-Tana IV sy ny mponina eny an-toerana. Anisan’ny nangatahin’ireo mponina nanatrika io fivoriambe io ny hijerena sy hanavaozana ireo lalan-kely any anelakelan-trano rehetra eny anivon’ny fokontany tsirairay. Indrindra ireo izay efa simba. Ankoatra izay, tokony haverina ihany koa ny jiro manazava ny eny anelakelan-trano mba hanazava ny lalan’ny mponina sy hisorohana ny tsy fandriampahalemana.
“Fahavalo iraisana ny fahantrana sy ny fomba namotehana ny firenena. Tokony ho saro-piaro amin’ity fanjakana ity ny Gen Y satria tompon’ny fanjakana”, hoy kosa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fenosoa, teny an-toerana. Nambarany fa tokony hatomboka eny amin’ny fokontany ny fandraisana andraikitra, mba hanampiana ny fitondrana ho any amin’ny fanavaozana.
Mino




