“20 taona niasana mba hisakafo tsara ny ona rehetra, andao raona hiara-hihetsika hampandroso ny fanjarian-tsakafo”. Io no lohahevitra nanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo andininy faha-20 sady ho famaranana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny ONN natao tany Ambositra, ny faran’ny herinandro teo.
Tombanan’ny mpamantatra ny toetr’andro ho betsaka ny rotsakorana any Atsinanana sy Analanjirofo, anio, ao amin’ny distrikan’i Mahavelona sy Toamasina I sy II ary Brickaville. Rahampitso kosa dia voakasik’izany ny faritra Analanjirofo. Fampitandremana miloko mavo ho an’ny faritra Atsinanana.




