Tsy vita hatreo akory, mbola hijohy ny orana, saika manerana ny tanàna maro, manerana ny Nosy. Efa mahazo ny anjarany, mihoatra ny mety ny eto an-dRenivohitra. Mahazo ny sahaza azy ny any amin’ny faritra. Mila mitandrina amin’ny fiakaran’ny rano, araka izany, ny zanakolombelona. Tena nampihantain-janahary tanteraka. Migalabona aoka izany ny tantsaha.
Niri-mahaory ilay izy. Nitobaka loatra ka nanafotra tanàna maro. Ny tena zava-doza dia ity ao an-dRenivohitra ao ity. Mivadika ho “horera” ny loto ateraky ny fiakaran’ny rano. Ilay rano mitondra fahadiovana ity no manatsikafona ireo fako sy diky nasitritsitrika tany anaty lakandrano. Manginy fotsiny ireo natsipitsipy nanerana ny arabe. Nandrora nitsilany tokoa ireto tandrenivohitra.
Tsy hay anefa ny tsy hiteny, manentana hatrany ny mponina na efa tara aza mba samy hitandrina toa ny anakandriamaso ny fahadiovana, amin’ny alalan’ny tsy fanipatsipazana zaoridira etsy sy eroa. Fara-faharatsiny mba misokitra sy manala izay efa natsentsina tany. Mampalahelo fa ny olona tsy niray fomba ratsy no mizaka ny vokany.
Tsy ankanavaka fa miara-mizaka ny tsy eran’ny aina, na amin’ny hidihidy noho ny aretin-koditra mety hahavoa. Tsy lazaina ny aretin-kibo sy ny tazo izay mampikolay ny mponina ao an-drenivohitra noho ny rano miandrona. Mbola miampy aretin-tratra sy aretin-tenda ihany koa. Ny zaza madinika aza mameno toeram-pitsaboana manao fizaham-pahasalamana.
Ny mpitondra fanjakana koa anefa, etsy ankilan’izay, mba tokony handray ny manandrify azy ihany. Aiza koa amin’izao volana desambra izao dia manome fahazoan-dalana manokana ihany koa hanototra tany. Ilay tanàna aza efa dobo sy safotry ny ranom-potaka. Misy ny hamehana sy ny vonjimaika fa ilay hataon-dry zalahy sasany kosa toa manahiran-tsaina ihany.
Mora ny mifanome tsiny sy mifanakiana fa na izany aza tsy tokony hikombom-bava manoloana ny tsy mety sy ny tsy rariny. Samy tomponandraikitra rahateo ny olon-drehetra manoloana ny zava-mitranga.
r.r




