Hiditra an-tsehatra anio, ny Malagasy mpibata fonjamby, raha ny fandaharam-potoana amin’ny lalao afrikanina ho an’ny Tanora, tontosaina any Luanda, Angola, nanomboka ny 10 desambra lasa teo. Tsiahivina fa solontena malagasy 3 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity lalao ity, ahitana ny taranja judo sy fibatana fonjamby.
Notontosaina ny alahady teo, tany Sabotsy Namehana, ny fifaninanana “Challenge Claude Rasata”, taranja baolina kitra. Nandrombaka ny amboara sy ny omby tamin’izany ny 417 FC, rehefa nandavo ny ekipan’ny FCA, tamin’ny isa 2 no ho 1. Notoloran’ny mpikarakara ondry sy medaly kosa ny laharana faharoa an’ity fifanintsanana ity.
Lasan’ny klioban’ny TGBC Atsinanana ny amboara maha tompondakan’ny divizionina faharoa nasionaly azy. Ny alahady lasa teo, resin’ity klioba avy atsy Atsinanana ity, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1, ny COSPN Analamanga. Tsara marihina fa miakatra avy hatrany ao amin’ny ekipan’ny Pureplay Football League (PFL) avokoa ireo ekipa efatra nanao “Poule des As”, tamin’ity.




