Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana taranja échecs “Rencontre internationale des échecs Francophones) na ny Ridef 2025. Tsy diso anjara tamin’izany i Madagasikara, fa nanana solontena ary tsy nitsanga-menatra. Ny Maître international, Ralison Harifidy, no niaro ny voninahi-pirenena tamin’ity fifaninanana ity ary tena nahazo vokatra tsara, satria voahosotra ho tompondaka lefitra. Avo lenta tanteraka ny lalao nasehony satria nisongadina tamin’ireo mpandray anjara miisa 67 i Harifidy ary manana haavo teknika ambony avokoa ireo nifanandrina taminy.
Ankoatra an-dRalison Harifidy, Malagasy mpilalao échecs 4 mianadahy ihany koa no niatrika fifaninanam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, izay nadray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Jeunes. Azo lazaina ho tsy ambaka ny hafa ihany koa ny vokatra tamin’izany satria laharana faha-4, i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra (6.5/9) sy i Tojomalala Sombiniaiko (6.5/9), tamin’ny fifaninanana izay nataon’izy ireo. Laharana fahavalo kosa no nisy an-dRasolondraibe Nehemiah (6/9), raha toa ka fahasivy, Randriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana (5/9).
Mi.Raz




