Tekken Madagascar : Tafiditra ao anaty «circuit mondial»

Miroborobo fatratra, ankehitriny, ny fanatanjahantena lalaovina amin’ny solosaina. Tsy mijanona ho fialamboly fotsiny anefa fa lasa fifaninanana iraisam-pirenena mihitsy. Anisan’izany ny Tekken Madagascar, izay efa tafiditra ao anatin’ireo dingana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.

Nampahafantarina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Yas Madagas­car Andraharo, ny Tekken Madagascar. Fikambanana ivondronan’ireo mpilalao fanatanjahantena amin’ny solosaina. Nambaran-dRajaomazava Abraham, filohany, fa 8 taona ny nisiany ary efa mahatratra 500 mahery ireo mpikambana. Tao anatin’izany fotoana izany, efa manana ny toerana maneran-tany ny Tekken Madagascar, noho ireo anaram-boninahitra azony, toy ny nahazoan’i Kimi ny tompondakan’i Afrika. Ankoatra izay, efa misy mpilalao tafiditra ao anaty «Top 10 mondial». Ankehitriny, ny Tekken Mada­gascar irery no hany mandray fifaninanana iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny hetsika Moraingy, izay tafiditra ao anaty «circuit international». Hisy vahiny mpilalao ho tonga eto Madagasikara ka hahazo isa iraisam-pirenena izay ho mpandresy ka afaka hanao ny famaranana maneran-tany. Ankoatra izay, efa manana «circuit» koa ny Malagasy dia ny «national qualifier». Tsy Tekken irery no ao fa misy karazan-dalao maro. Izay mandresy eto Madagasikara no miatrika ny fihaonana rezionaly ary izay tafavoaka amin’izany no hanao ny famaranana lehibe.
Fotoana ihany koa io nampahalalana ny Soka jeu, izay ao anaty «application Yas Madagascar» sy ny Team Ferox ho an’ny e-sport. Tan­jona, hoy Christian Zafindra­haro, tomponandraikitry ny Gaming Yas Madagascar, ny hisintonana sy hanasongadinana ireo mpilalao fanatanjahantena amin’ny solosaina. Araka izany, misy fifaninanana indroa isam-bolana ho an’ireo izay te handray anjara. Ankehitriny, efa misy ny Tekken Madagascar ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Atsina­nana, Antsiranana, Atsimo Andrefana, Sofia, Menabe.

Tompondaka

Partager sur: