Tanora mpilatsaka an-tsitrapo 20 mianadahy no nomena fiofanana manokana momba ny vonjy voina, nandritra ny 3 andro.
Nampahafantarina azy ireo ny momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (GRC) eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena. Nijerena ihany koa ireo voambolana sy famaritana ara-teknika eo amin’ny GRC. Nohazavaina ny momba ny asa fandrindrana izay anjara asa sahanin’ny BNGRC eo amin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza.
Tsy azo ihodivirana ny fampahafantarana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay iainantsika efa an-taona maro nisesy.
Atao isan’andro ny tombana hahafahana mahafantatra ny fahatakaran’ny tanora ny andraikiny amin’ny fiatrehana ny loza sy ny famaliana vonjy voina amin’ny maha olona.
Tsara ny fifehezana ny vonjy voina na ho an’ny tena manokana izany na ho an’ny ankohonana, fa indrindra eo amin’ ny fiarahamonina, mba hampihenana ny risika ambony mety hitera-doza na faharavana na fahafatesana mihitsy.
Tatiana A




