INDRAY MIJERY

Manaitra ny rehetra ny Holafitry ny mpitsabo nify sy ativava fa tsy hifandovana ny fitsaboana fa tena mila ianarana aman-taona maro. Tsy hoe rehefa mpi­tsabo nify ny rainao ka nahita ny fanaony teo ianao dia lasa mpitsabo nify koa. Mitera-doza rehefa tsy niana­rana ny asa fitsaboana ary tena saro-pady.

Nodinihina omaly ny toe-draharaha ankehitriny momba ny fampananana asa eto Madagasikara. Eo ireo fanamby sedraina, ny vahaolana sy tetikasa mi­kendry ny hanamafisana ny fidiran’ny tanora sy ireo vondrona marefo eo amin’ny tsenan’ny asa. Noha­mafisina ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera ho fana­tsarana maharitra ny sehatry ny fampanananasa.

Ankatoky ny fetin’ny Krisimasy sy ny faran’ny taona isika. Betsaka ireo miditra toerana fanaovana fanatanjahantena manintsana sy maka bika hahafa­hana mianjaika amin’ireo fety hoavy. Feno ny ankamaroan’ny toerana fikotranana. Na lahy na vavy dia manenjika manary lanja. Natao indrindra ho an’ny fahasalamana ihany koa izany.

Partager sur: