Misy fiantraikany amin’ny toekarena : Mila ezaka ny fandrosoan’ny maha olona

“Ilaina ny fanovana sy fanatsarana amin’ny lafiny maro”. Io no azo hamintinana ny tatitra fahafito mahakasika ny Maridrefin’ny fandrosoan’ny maha olona, natao omaly, tetsy Ivandry, natolotry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantananam-bola niaraka tamin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud).

Raha ny fintina nataon’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny dokotera Herinjantovo Ra­mi­arison, dia « azo lazaina ho ao anatin’ny firenena mbola marefo i Madagasikara noho ny fisondrotry ny harinkarena faobe tsy maharaka ny fitombon’ny mponina. 2,9% izany nanomboka ny 2009 hatramin’ ny 2023. Taha izay mampiseho ny mamparefo ny toeka­rena. Satria 90% ny asa ny ao anatin’ny sehatra tsy manara-drafitra, (secteur informel), ary 80% ny asa dia marefo (travail précaire). Ny ezaka atao dia ny famoronana asa mendrika sy mamokatra. Na eo amin’ny lafiny fambolena, indostria, ny tolotra, dia ilaina ny fanovana ny fomba enti-miasa”. Raha ny tatitra no dinihina, misongadina ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary izany dia hita isam-paritra. “Manana tom­bony, ohatra, ny faritra Anala­manga noho ny fitangoronan’ ny orinasa va­ven­ty eto ka manamora ny fitadiavana asa. Ny harinkarena faobe anefa dia tondro ara-toekarena sy ara-bola ihany fa ny fandrefesana ny fandrosoana amin’ny maha olona dia mahakasika ny lafiny maro. Ahitana ny fam­pianarana, ny fahasalamam-bahoaka. Misy firenena manana harinkarena faobe ambony amin’ny salanisa fa mety ho marefo ny fandrosoan’ny maha olona. Ny hampifanandrify ireo tanjona roa ireo no atao manomboka izao hiadiana amin’ny fitongilanana ara-tsosialy misy ankehitriny », raha ny fanazavana nomeny, omaly.

Raha ny tarehimarika ni­voaka omaly, napetraka ho lohahevitra ny hoe « Fahafa­hana miarina ara-toekarena sy ny fampandrosoana ny maha olona ». Tsapa fa nisy fiantraikany teo amin’ny mponina ny krizy nifandimby, na teto an-toerana na ny mane­rana izao tontolo izao. Toy ny valanaretina coronavirus, ny ady eo amin’ny Russie sy Ukraine, ny sahotaka politika nitranga teto, ny voka-dratsin’ ny fiovan’ny toetr’andro ka nampikatso ny fisondrotry ny harinkarena faobe ary nampitombo ny halalin’ny fahan­trana.

Vonjy

Partager sur: