“Mila fanentanana sy fanazavana misimisy kokoa”. Izay no nivoitra tamin’ny Andro natokana ho an’ny Fiantohana natao teny Ankatso, omaly.
Hetsika niarahan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) sy ny Sampam-pianarana ambony momba ny toekarena, fitantanana sy ny hay fiarahamonina ary ireo mpisehatra amin’ny fiantohana eto Madagasikara ny Andron’ny fiantohana natao omaly, teny Ankatso.
Miteny ho azy ny tarehimarika raha ny fiantohana ho an’ny Malagasy no hiadiana hevitra. Tsy miraika loatra amin’ izany isika. Eo ny tsy fahalalana, fa eo koa ny fahefa-mividy tsy ampy hanaovana izany. «Tsy misy afa-tsy 0,6% raha be indrindra ny anjara birikin’ ny fiantohana ho an’ny harinkarena faobe. Taha ambany tokoa izany», hoy Razakamanana Laza, filohan’ny Fikambanan’ny orinasa matihanina amin’ny fiantohana. Raha ny fanazavany, na ireo fiantohana tsy maintsy atao araka ny fepetra didin’ny lalàna aza tsy manao izany ny Malagasy. Eo koa ny fiantohana terena toy ny ataon’ny Banky amin’ny findramam-bola dia ilay hahazoana mitrosa ihany no mahamaika fa tsy ny fiantohana. Toy izany koa ny fandehanana any ivelany. Ny visa no mahadodona fa tsy ny maha zava-dehibe ny fiantohana. Misy koa ny fiantohana tokony hatao, toy ny tahiry hitsinjovana ny fahanterana sy ny fisotroan-dronono mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana sy ny firenena ireny olona ireny. Vao teraka no efa tokony hitsinjo ny hoavy lavitr’ ezaka. Raha mahakasika ny fiantohana ny fiarakodia na ny moto indray, izay mora indrindra no ataon’ny Malagasy. Raha miseho anefa ny loza-pifamoivoizana dia tsy ilay fiaranao na ny moto no voaantoka fa ilay niharam-boina sy ilay zavatra simba ihany.
Araka izany, mbola maro ireo misalasala na tsy rototra loatra hanao fiantohana fa rehefa tra-doza vao mitady vahaolana etsy sy eroa. Efa maro anefa ny tolotra sahaza ny tsirairay ary nanaporofo izany ireo tranohevan’ny mpandray anjara teny Ankatso, omaly. Ilaina manomboka eto ny fomba fijery miabo manolona ny fiantohana, hialana ny toe-tsaina feno ahiahy.
Vonjy




