Taorian’ny fanazarantena lehibe voalohany (Simex) teny anivon’ny faritra 15, momba ny fiomanana sy ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza anatin’ny fotoam-pahavaratra, ny herinandro lasa teo, nijery ny lesoka mila fanarenana hanatsarana ny paikady hiatrehana ny loza ny mpiantsehatra rehetra. Nahitana ny BNG RC sy ny mpiray ombon’ antoka ary ny departemanta multidisciplinaire fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eny amin’ny oniversiten’Antananarivo (DMGRC), teny Anosy izany, omaly. Ny DMGRC no ivontoerana mamoaka manampahaizana ambony amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (GRC) eto amintsika. Haharitra roa andro ny fifanakalozana, hanampy amin’ny fiarovana sy fanamafisana ho an’ny fahafaha-miatrika sy fanarenana aorian’ny fandalovan’ny voina izany. Nifanotrona tamin’ny BNGRC teo amin’ny lafiny teknika ny mpianatra andiany fahavalo ao amin’ny DMGRC nandritra ny fanazarantena andrana lehibe natao. “Hitondra fomba fijery siantifika ireo manampahaizana ampiarahana amin’ny tombana entin’ny mpiantsehatra mahazatra ka hatolotra anio ny paikady hiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza hatramin’ny taona 2030”, hoy ny talen’ny DMGRC, profesora Andrianalijaona Tianamahefasoa.
“Nahomby ny fanazarantena natao farany teo ary niitatra ny fahaiza-manaon’ny tsirairay”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Vonjy




