Mandalo fotoan-tsarotra i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Malagasy mpilalao baolina kitra atsy Allemagne, ankehitriny. Araka ny vaovao voaray omaly, avy any an-toerana, nofaranana ny fifanarahana teo aminy sy ny kliobany any an-toerana, Hertha 03 Zelhendorf. Azo lazaina ho niharan’ny tsy rariny ihany ity Malagasy mpilaravinahitra any ivelany ity satria natsahatra mialoha ny fifanarahany amin’ny klioba, raha toa ka any amin’ny volana jona 2026 vao tokony hifarana izany.
“Maratra ny tenako, nanomboka ny volana novambra, ary efa nisy ny fifanarahana teo aminay sy ny klioba dia izao nofaranana izao ny contrat-ko…Miezaka mitsabo tena sy manomana ny taom-pilalaovana hoavy aho ankehitriny”, hoy i Bolo. Nomarihiny fa tsy nisy ny olana teo amin’ny roa tonta.
Tsy manana klioba i Kanto Fitiavana ankehitriny, 28 taona ny lehilahy. Nahatafiditra baolina enina moa izy hatramin’ny nilalaovany tao amin’ity ekipa ity ary efa tafiditra anatin’ireo “11 types” ny fifanintsanana tany Allemagne, divizionina fahefatra. Mipetraka eo amin’ny laharana farany moa izao ny Hertha 03 Zelhendorf.
F.R




