Fifa Indian Ocean U15 Festival : Tompondaka ny Barean’i Madagasikara lahy sy vavy

Nisongadina indray ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny U15, nandritra ny Fifa Indian Ocean Festival. Nanao poa-droa ny Malagasy rehefa voahosotra ho tompondaka ny zazalahy sy ny zazavavy. Tsy nisy naharesy ny Barea tamin’ireo lalao rehetra nataony.

Hifarana anio, ao amin’ny Kianja Côte d’Or Na­tional Sports Com­plexe Maurice, ny fifaninanana “Fifa Indian Ocean U15 Festival”, taranja baolina kitra. Lalao ho an’ny sokajy zandriny latsaky ny 15 taona. Niady ho lohany tamin’izany i Mau­rice, La Réu­nion, Seychelles, Como­res ary i Madagasikara. Na mbola misy ambin-dalao aza amin’ity androany ity, eo amin’ny so­kajy vehivavy. Hifa­nandri­nan’i La Réunion sy i Comores izany andaniny ary i Seychel­les sy i Maurice, ankilany, tsy manova na inona na inona
intsony fa efa voahosotra ho tompondaka ny Ba­rean’i Madagasikara. Na eo amin’ny sokajy zazalahy na ny zazavavy. Norombahin’izy ireo, araka izany, ny amboara sy ny medaly volamena, tamin’ity fifaninanana ity.
Nisongadina tanteraka ny Bareakely teo amin’ny vokatra. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka hatrany amin’ny andro voalohany, ny talata 16 ka hatramin’ny omaly alakamisy 18 desambra. Mari­hina fa tsy nisy ny lalao manasa-dalana sy famaranana, tamin’ity, fa ny isan’ny fandresena no namaritana izay ho tompondaka.
Raha tsiahivina, fandre­sena efatra tamin’ny lalao efatra nataony no azon’ny Barea zazavavy, ka nazahoany isa 12. Fandresena 3 sy ady sa­hala 1 kosa ho an’ny zaza­lahy, nanana isa 10. Tombony sy nampisongadina ny ­Mala­gasy ny fahaiza-manao sy ny teknika teo amin’izy ireo. Hain’izy ireo ny nampihatra ny taktika nomen’ny mpanazatra. Niavaka tamin’ny tanjaka nananany rahateo ireo mpilalao. Mailaka sy kinga teny ambony kianja ka nanahirana ireo mpifanandrina aminy. Ny Barean’i Madagasikara rahateo no hany ekipa nahatafi­ditra baolina be indrindra nandritra ity “Fifa Indian Ocean U15 Festival” ity.

Tompondaka

Partager sur: