Hotanterahina ny sabotsy 20 desambra izao, eny amin’ ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Pancrace, ho an’ny taona 2025. Mpikatroka manodidina ny 90 no andrasana ary katrok’ady eo amin’ny 40 mahery no hitranga, raha ny nampahafantarina, teny amin’ny Cercle Messe Betongolo, omaly. Efa vonona tanteraka ny fikarakarana, indrindra ireo mpikatroka avy eto Antananarivo sy ny avy any amin’ny faritra, raha ny nambaran’ny filohan’ny CMPS (Commission malagasy de pancrace et submission), ny kolonely Zafindranaivo Zely. Ny faritra Vakinankaratra, Atsinanana, Boeny, Alaotra Mangoro ary Analamanga hatreto no efa fantatra fa hanana solontena raha ny fanazavana hatrany. Hampiavaka ity andiany 2025 ity ny fanomezana loka ho an’ny mpikatroka mendrika indrindra, ny faritra manana mpandray anjara be indrindra ary ny mahazo ny “fairplay”. Ankoatra izay, hahazo vahana amin’ ity ireo taninketsa sy sokajy zandriny. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny mpikatroka mialoha ny hiakarana ny ringa. Notsiahivin’ny mpitsara, Maître Andry, fa manao fitsirahana ara-pahasalamana atao amin’ny mpandray anjara rehetra mialoha ny ady ary raha mbola hita fa manana olana na marary na tsy mipetraka ny “téchnique de combat” an’ilay mpikatroka dia mijanona avy hatrany. Tsy nanadino nisaotra ireo nanampy tamin’ny fikarakarana izao fifaninanana izao, ny filohan’ny CMPS.
Mi.Raz




