Hanomboka amin’ny fomba ofisialy, rahampitso, any Maroc, ny andiany faha-35 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2025), taranja baolina kitra. Hanokatra ny lalao ny Lionan’i Atlas Maroc sy ny Coelacanthesn’i Comores, ho an’ny vondrona “A”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Prince Moulay Abdellah Stadium, manomboka amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara.
Hanala vela amin-dry zareo maraokanina amin’ity ny kaomorianina. Raha tsiahivina, niray vondrona tahaka izao ny roa tonta nandritra ny “Can 2021” natao tany Cameroun. Resin’i Maroc, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 i Comores. Amin’ity, manantombo i Maroc noho izy ireo mpampiantrano. Na izany aza, tsy azo lazaina ho ekipa madinika intsony ny Coelacanthes. Tonga teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana mantsy izy ireo nandritra izany “Can 2021” izany.
Hitohy ny alatsinainy ny fifanintsanana ka lalao telo avy hatrany no voalahatra. Hifandona
ho an’ny sokajy “A” i Mali sy i Zambie ary fihaonana roa ho an’ny vondrona “B” ka hifanandrina i Afrika Atsimo sy i Angola. Manampy izay ny fihaonan’i Egypte sy i Zimbabwe. Marihina fa miisa 24 ireo firenena hiady ho lohany amin’ity Can 2025 ity. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.
Tompondaka




